HAFATR’IREO MPANABE

 

Mr Patrick : Ny fitaizana tsy mila tambiny fa omena izay tadiaviny

Mme Louisette: Mahasambatra kokoa ny manome fitiavana ireo zaza beazina eto amin’ny Akany

Mme Martine: Tsy misy ny lafatra fa miezaka ny ho lafatra

Mr Naivo: Ny technique amin’ny asa-tanana sy ny experience hita hatramin’izay dia entiko ho zaraina sy ampihariko amin’ireo tanora beazina eto @ Akany

Mr Anselme: Ny fahamatorana sy ny fitiavana no ahitana vokatra tsara eo amin’ny fanabeazana, tsy misy fanavahana fa mitovy ny rehetra

Mlle Mirado: Faharetana, finiavana antoky ny fahombiazana

Mr Noa: Ary aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, fa mahasambatra kokoa ny manome

Mme Vola: Toy ny inona ny hafaliana raha vao mahita ny fahatsoram-pon’ireo zaza izay beazina. Izay mijery dia sahirana sady vaky vava fa tena zava-tsarotra ary hafa tokoa ny asan’ny Mpanabe, izahay koa anefa dia nahita fahafinaretana sy zotom-po hatrany ary malahelo aza raha vao tsy mahita azy ireo maharitraritra. Tena tsara ny mizara fitiavana fa ahitana voka-tsoa . Mahereza daholo oh!!!